Actualités

Andro iraisam-pirenena andavana ny fahantrana Nangigina ny fankalazana ny 17 oktobra tao Toliara


  • Alatsinainy 20 Oktobra 2014

Tsy nisy nanohina ny antso sa tsy nisy nihaino, fa nangingina tsy toy ny isan-taona ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena andavana ny fahantrana ny 17 oktobra, tany Toliara, izay natao tao amin’ny « Jardin de la mer » amoron-driaka

Ireo olona marefo ara-pivelomana izay karakarain’ny fikambanana « Saint-joseph » omena sakafo antoandro isaky ny zoma, niampy ampahana sembana ara-batana, beantitra sy ireo olona natao anjorom-bala no tonga nanohina ny antso sy fanasana nataon’ny « Quart Monde », tompo-marika tamin’ny lanonana, omaly. Na dia novoizin’ity  fikambanana ity nandritra ny fotoana naharitra aza ny hoe : « Ampandrosoiko ny fiadanana, laviko ny fahantrana » sy ny hoe : « ajanony ny herisetra, ny fahantrana fa ny olona rehetra afaka manorina fiadanana », dia tsy nahasarika olona ny hetsika, na dia lohahevitra tamin’ity taona ity ny hoe : « Tsy misy atao anjorom-bala, miara-mandinika sy miara-manapakevitra ary miara-manatanteraka ».

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT