Ny 23 sy 24 aogositra lasa teo no nankalazana ny andro ho an’ny Tanora maneran-tany teo anivon’ny Faritra Matsiatra ambony.
Hetsika maro no natao izay nisongadinan’ny Diabe namakivavaky ny tanànan’i Fianarantsoa nanatanterahana ny hetsika nifandrimbonan’ireo tanora avy amin’ny sekoly samihafa sy ny fikambanana misy ao amin’iny Faritra iny. Tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ao Ambatomena Fianarantsoa no niafarany ka efa niandrasan’ireo manampahefana notarihan-dRtoa Razanamahasoa Christine filohan’ny Antenimieram-pirenena ny rehetra amin’ny maha raiamandreny avy amin’ity Faritra ity azy ka nampitany hafatra fohy avy amin’ny anaran’ny filohan’ny Repobika Malagasy sy avy amin’ny tenany manokana tamin’ireo tanora tonga teny an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.