Toy ny fanaony isan-taona hatramin’izay nahavoafidy azy ho solombavambahoakan’i Madagasikara izay dia hanatontosa hetsika firazarana vatomamy ho an’ny kilonga any amin’ny faritra maro any Antsirabe II ny depiote Ravelohanitra Nirina amin’izao fahatongavan’ny fetin’ny Noely izao
. Eo koa miaraka amin’izany ny fanolorana fanomezana samihafa ho an’ireo olona sahirana, noho ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Amin’izao faran’ny taona izao dia ny kaominin’Ambatomena no hisitraka izany. Tokony ho efa natao elaela ihany izy io saingy noho ny fivoriana mbola natrehana tety Tsimbazaza dia izao voatery nahemotra izao. Ny fivoriana ara-potoana natrehan’ny solombavambahoaka teo moa dia nisehoana trangan-javatra lehibe tokoa dia ny fandanianay depiote ny volavolana tetibola 2016 sy ilay volavolan-dalàna mikasika ny fananganana “Chaîne speciale” mikasika ny andramena sy hazo mainty. Marina fa somary vitsy hatrany izahay no namonjy ny fivoriana tamin’ity 2 volana teo ity satria be no manahirana ary maro taminay solombavambahoaka koa no nahazo fanasana samihafa tany ivelany sy teto an-toerana. Ho anay tonga lava moa tsy hoe sanatria tsy manan-katao fa io fiatrehana fivoriana fanaovan-dalàna io no nifidianan’ny vahoaka anay ka tsy maintsy miaro ny tombontsoany izahay ao anatin’izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.