Hankalazaina ny 16 oktobra ho avy izao ny andro eran-tany momba ny sakafo. Ho antsika eto Madagasikara dia etsy amin’ny distrikan’Arivonimamo no hanatanterahana izany.
“Fiahiana ara-tsosialy sy famokarana hanafaka ny ziogan’ny fahantrana eny ambanivohitra” no lohahevitra nosafidian’ny FAO na ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fiahiana ara-tsakafo hanompanana ny fankalazana amin’ity taona ity. Ny minisiteran’ny fiompiana sy ny ny fambolena ary ny mponina sy ny tontolo iainana no mifarimbona amin’ny fanatontosana ny hetsika. Voalaza fa misy ifandraisany tokoa ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fahantrana satria rehefa tsy ampy sakafo ny olona iray dia marefo tsy mahavita ny andraikitra sy ny adidiny ara-dalàna ka vao mainka mihamahantra hatrany fa tsy mety mandroso mihitsy. Tohanan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny ny ezaka hanalefahana ny fahantrana misy. Hiaraka hisalahy amin’ny famongorana ny fahantrana vokatry ny tsy fahampian-tsakafo amin’ny fitondrana ny FAO ka hanatevin-daharana ilay antsoina hoe fiahiana ara-tsosialy. Hiseho amin’ny endrika fanampiana ara-bola sy fifanomezan-tanana samihafa izay fiaraha-misalahy izay. Ny tanjona dia ny hanentana ireo mponina hahay hiahy tena fa tsy hiankin-doha amin’ny fanampiana sy ny fanohanana intsony. Hisy noho izany ny sandam-bola ho an’ny vondron’olona marefo hahafahany mahazo vokatra tsara, hananany tahiry sy hitsinjovany ny fotoan’andro manaraka araka ny fanazavan’ny avy ao amin’ny ONN. Marihana moa fa tsy mitsaha-mitombo ny mponina tratran’ity tsy fanjarian-tsakafo ity eto Madagasikara na dia tsy tena fantatra mazava aza ny isan’ny mponina tratran’io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.