Actualités

Andrin-jiro eny Ampitatafika Vita ny asa fanamboarana, ny fampandehanana azy sisa


  • Zoma 19 Aogositra 2016

Vita soa aman-tsara ny asa fanamboarana ireo andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, fanomezana avy amin’ny masoivohon’i Chine miasa sy monina eto amintsika ho an’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano.

Hifarana anio zoma izany izay amin’ny alalan’ny  fanaovana soudure sisa, raha efa betsaka ireo nitsangana nanenjika ny kaominina  ny amin’ny tsy fandraisan’izy ireo andrakitra. Ny 27 tamin’ireo miisa 166 isa no norobaina sy nopotehina ary nangalarina, hoy Ramparaoelina Rado  izay tsy iza no nanao azy fa isika Malagasy ihany noho ny lonilony sy ny  fialonana. Tao ireo norobaina. Nisy ihany koa ireo nalana mihitsy ny “panneaux” izay mandray sy mitahiry ny herin’ny masoandro. Nisy mihitsy ireo notsofaina nanalana ny bilao aminy nakana  ireo fitaovana mampandeha ny andrin-jiro. Tsy nitazam-potsiny anefa ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika na dia teo aza izany. Niezaka ny nanarina sy nanamboatra ny simba rehetra izahay avy amin’ny volan’ny kaominina madiodio tsy nitadiavana fanampiana.  Nambarany fa mbola olana ny tsinay mampandeha ireo andrin-jiro mandeha amin’ny herinaratra ireo. Mahatratra 1.800.000 Ar mantsy ny vola ilaina amin’ny andrin-jiro iray koa hiantsoany ireo nanenjika azy sy ireo tompon’andraiki-panjakana miasa sy monina eny amin’iny faritra iny mba hanome tanana ny kaominina. Tsiahivina fa kaominina miisa efatra ihany no nahazo ity andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity dia Ampitatafika sy Antananarivo Renivohitra ary Toamasina renivohitra sy Mahanoro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT