Mikasika ireo mpivarotra sy mpitsinjara rongony eto Ampitatafika, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Rado Ramparaoelina, dia nisy mpivady efa tratra ary nalefa any Antanimora, 3 volana lasa izay.
Ny mampalahelo dia 1 taona latsaka izy ireny dia miverina amin’ny fiarahamonina ary manao ny ataony indray. Efa voafehin’ny zandary sy fokonolona ary ny Quartier mobile amin’ny ankapobeny anefa ny tsy fahandriampahalemana. Miezaka manao izay tratrany ny kaomandin’ny borigadin’ny zandarimaria ao Fenoarivo. Manao mihoatry ny mety aza satria raha ny fitaovana eo am-pelatanany dia hitako hoe tsy afaka izy. Ny polisy koa efa nanao latsaka alina ary nifaoka andian-jiolahy maro. Niha tsara ny fandriampahalemana saingy tambajotra ilay mpivarotra rongony ka rehefa mivoaka ilay olona migadra dia mety olon-kafa indray no hampanaoviny ny asany dia eo ihany ny vokany. Ny olana dia tsy manana fotodrafitrasa mitombina ny tanora dia lasa misy famoizam-po kely ka vahaolana ny famoronana asa. Mampihena azy io na tsy mahafoana aza satria misy zanaka mpanankarena koa mifoka rongony. Mila fitaizam-panahy sy fiarahamonina koa izany ankoatra izay. Ny tanjona moa dia ny hampandry fahalemana ary amin’ny ankapobeny dia miezaka mandrehitra ireo jiro efa tafapetraka izahay saingy entanina ny mponina mba ho saro-piaro amin’ny fananan’ny kaominina satria dia 40 isa amin’ireo jiro 256 sahady izao no maty. Ao ny misy mitoraka flesy, ny misy manimba sy mangalatra, hoy hatrany ny fanazavany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.