Sokajian’ny Filoha lefitry ny antenimierandoholona, Andriambololona Mananjara ho mitsivalam-pandry ny mpanao gazety izay manangon-tsonia ho fanoherana ny lalànan’ny serasera.
Manome rariny ny antenimiera roa tonta tamin’ny fanaovana amboletra ity loholona ity raha ny fanehoan-keviny omaly. Aminy dia tsy tokony hofinganina amin’izany fanoherana amin’ny fanangonan-tsonia izany ity lalàna efa nolanian’ny antenimiera sy neken’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ity. Sambany no nisy lalàna tsy managadra mpanao gazety. Tsy nisalasala ny tenany nanambara fa hampiharina aloha ary eny an-tenantenany dia iaraha-manarina raha misy ny lesoka. Maneho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra amin’ny fomba fitantanana ny firenena ny fanambaran’ity olom-panjakana ity. Mbola mitsapatsapa foana mandrak’izao amin’ny zavatra tian-kapetraka eto amin’ny firenena izay tsy mikendry afa tsy ny tombontsoan’ny mpitondra. Mibaribary ny tery vay mainta sy ny amboletra ataon’ny HVM miezaka mampiteny ny olony ary tsy manao afa tsy ny miaro be fahatany ny antokony sy ny fanjakana na dia efa hita izao aza fa tsy mety ny atao.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.