Actualités

Andriamahatsangy Lahatra Nampianarina hahaleotena izahay fa tsy ho mpiasam-birao


  • Zoma 31 Oktobra 2014

Tanora vao nihoitra tamin’ny fiainana, efa nahita ny hamafin’ny fitadiavana sekoly ambony hanohizana fianarana, nefa nahita fahombiazana avy tamin’ny fanampiana an’ireo mpiray ra aminy taty aoriana no vahinin’ny Sokela anio zoma dia Atoa Andriamahatsangy Lahatra filoha mpanorina ny fikambanana Madajeune niofo ho orinasa kely Edit Com ankehitriny ka izy no Development Manager ao, ary tompo-marika tamin’ny famoahana ny boky « Guide des études supérieures »sy ny fanaovana ny « salon de l’étudiant » koa.

Tia Tanindrazana  (T.T) : Inona no tena nandrisika an’i Lahatra hamorona an’ity torolalana ho an’ny mpianatra ambony ity ?

Andriamahatsangy Lahatra  (A.L) : Tamin’ny andronay, 12 taona lasa izay taona 2002, dia mbola vitsy dia vitsy ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana, teo amin’ny 22 teo manerana ny Nosy, nefa dia tena tsy ampy ny torolalana nisy mba nampahafantatra azy ireo ka tena nanahirana be ny safidy natao tamin’izany rehefa tsy tafiditra teny amin’ny oniversitem-panjakana. Hita ho sahirana tokoa ny tanora mpianatra ka tapa-kevitra ny namoaka ny boky torolalana ho an’ny afa-panadinana bakalorea ny tena tamin’izany vao notohizana tamin’ny salon taty aoriana.

(T.T) :  Tao anatin’ny eritreritra koa ve tena lalam-pihariana mety ahitana vola metimety ity natao ity ?

(A.L) :  Tena tafiditra tao anatiny tokoa izay satria maro ny tinady ka dia nanao tolotra hamaliana izany izahay. Lalam-pihariana mbola vitsy mpanao io ka dia notrandrahina ary nahitam-bokatra teo amin’ireo tompon-tsekoly tsy miankina ary  nahafa-po an’ireo mpianatra ihany koa fa tena namaly ny tinadiny. Dia nitombo be hatreo ny sampam-pianarana tsy miankina nisy teto amintsika ary dia nitohy sy niroborobo ny hetsika. Tsy nijanona hatreo fa tonga hatramin’ny fampianarana avy any ivelany aza, efa ho feno 5 taona izao. Ry zareo te hampahafantatra bebe kokoa ny misy any aminy ary ny mpianatra Malagasy koa noho ny toe-javamisy eto amintsika dia maro no maniry ny handranto fianarana any am-pitandranomasina na dia lafolafo aza izany.

(T.T) :  Mora ve ny mifandray amin’ireo talen-tsekoly ambony any ivelany ireo  ?

(A.L) :  Tena tsy nisy olana satria araka ny voalazako teo dia maro amin’ny mpianatra Malagasy no nangetaheta ny hianatra any ivelany, izany hoe be izany ny tinady tonga any amin-dry zareo moa izy ireo rahateo dia te hampahafantatra bebe kokoa amin’ny tanorantsika fa be azo hisafidianana ireo lalam-piofanana  misy any aminy ary tsy vitsy ihany koa ireo tena tsy misy eto amintsika raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny sehatry ny farmasia teo aloha isika na koa ny fanamoriana fiaramanidina.

(T.T) :  Efa nitety vanim-potoam-pitondrana ny firenena maromaro ny hetsika nataonareo, tsy voaelingelin’ny resaka politika ve ?

(A.L) :  Tena sehatra tsy mba niharan’ny krizy loatra ity resaka fampianarana ambony tsy miankina ity fa vao mainka niroborobo fatratra aza. Tsy nahitan’ny rehetra fampisehoana loko politika izany tao anatin’ny hetsika nataonay fa mandeha amin’ny alalan’ny tenany izay mpitondra fanjakana nitsidika tao fa izahay tsy mba naka fiahiana tamin’izy ireo izany mihitsy.

(T.T) :  Dia tena nanorim-paka tao ianao nampian’ny vadinao koa ?

(A.L) :  Izahay tany amin’ny fianarana ambony norantovinay tao amin’ny Heccma dia nampianarina hatrany am-boalohany ny hanangana orinasa ho anay manokana fa tsy mba nofanina ho mpiasam-birao ary dia tena nahomby izany fa niainga tamin’ny Madajeune ny resaka efa tonga amin’ny orinasa mampiasa olona maro misahana serasera, “lobbing evenement”, famoronanana hetsika maro samihafa, fikarakarana lanonana isan-karazany ao amin’ny Editcom izahay izao izay izahay mivady moa no miara-mitantana azy ao na dia izaho aza no tena mitondra ny anarana ho talen’izany orinasanay izany. Dia mitohy ao izany toe-tsaina tia mamoron-javatra izany fa manjary hihoaran’ny olona raha tsy misy zava-baovao haseho ny vahoaka ka raha misy aza ny namana mikopak’elatra fa mahaleo tena dia tsofina rano tanteraka izy.

(T.T) :  Ireo mpianatra fahiny nandalo, nisy niverina nilaza fa afa-po ve ?Tahaka izany koa ireo talen-tsekoly ?

(A.L) :  Tsara homarihina eto am-pamaranana fa izahay dia mijanona eo amin’ny fampahalalana an’ireo tanora ny zava-misy eo amin’ny lalam-piofanana azony hisafidianana ny asanay ary koa manoro azy ireo ny lalan-kizorana manatona an’ireny toerana nosafidianay ireny dia hatreo ihany fa tsy anjaranay ny manaraka ny hoe nahomby ve ilay safidy nataony ary nahafa-po ve ilay sekoly nidirany ? Nisy tokoa aloha ireo niverina taty aoriana nankasitraka ny tena fa nisy koa tsy lavina ireo diso fanantenana. Tao ohatra no tsy tafita tamin’ilay fiofanana nokasainy hatao satria fohy kely izy ohatra nefa ny “hotesse” mitaky halavana be na koa tsy takany mihitsy ny saran’ilay fianarana ho mpitondra fiaramanidina fa tena lafo dia lafo tanteraka mihitsy. Ny fantatra aloha dia tsy nisy mihitsy hatramin’izay izany sekoly ambony nisokatra ka nakaton’ny fanjakana izany fa izy ireo no maty ho azy noho ny tsy fahatomombanan’ny fampianarana nataony angamba sy noho ny tsy fahampian’ny mpampianatra tao aminy.  Ireo lasa tany ivelany koa dia nisy ireo nianjadian’ny fiovana ara-politika tamin’ilay firenena nivahinianany ka voatery naato ho azy ilay toeram-pifoanana (tahaka ny tany Maorisy mifandimby mitondra isan-droa taona izany).

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT