Razana maromaro no hitan’ny fokonolona tao Andrefambohitra, Ampitatafika Atsimondrano ny alatsinainy 13 janoary hariva teo.
Tao amina toerana nisy irony fasana dongon-tany tsy voalalotra irony no nipoitra ireo razana vokatry ny ora-nikija be sy ny fiakaran’ny rano. Nokaohan’ny riaka anefa ilay fasana ka nivoaka ireo razana. Olona sendra nandalo no nahatazana izany tampoka. Nahitana razana maina moa tamin’ireo raha mbola nisy razana tsy simba ihany koa, izay voalaza fa zaza rano ka mbola nifono lamba soa aman-tsara. Tsy niandry ela fa nandray ny andraikiny avy hatrany ny fokontany sy ny kaominina Ampitatafika. Nalevina tany amin’ny fasam-bahiny izy ireo. Somary nanano sarotra rahateo ny mbola hitady ny fianakavian’ireo maty kanefa efa miparitaka sy milon-drano sy fotaka ireo razana ka nampatahotra ny manodidina. Tsy vao voalohany no nisian’ny trangan-javatra toy izao eto amintsika. Amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao matetika no tena ahitana izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.