Mila 100 tapitrisa Ariary isan-taona eo ho eo ny mpianatra Malagasy iray raha te handranto fianarana ambony any Frantsa. Tafiditra ao anatin’io vola io avokoa ny fiantranoana sy ny saram-pianarana ho an’ny mpianatra raha oniversite
tsy miankina. Somary mihena kosa anefa io sarany io raha toa ka manana toerana hivantanana ilay mpianatra satria dia manodidina ny 50 tapitrisa eo izany. Raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny sampana mpandefa mpianantra any an-toerana dia i Frantsa no mbola mitazona ny laharana voalohany handehanan’ireo mpianatra raha ho any ivelany noho ny tantara, eo ihany koa ny fahamoran’ny saram-pianarana. Azo lazaina fa betsaka ireo ankizy Malagasy liana amin’ity fianarana any ivelany ity satria manodidina ny 1000 eo ireo ankizy mandeha isan-taona. Misy ny hetsika fampahafantarana izany etsy amin’ny IFM Analakely nanomboka omaly ary hitohy anio.
F
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.