Actualités

ANDRANOVORY - TOLIARA Zazalahy namono bibilava, maty niolan-tenda sady nivalomainty


  • Alarobia 24 Septambra 2014

Ankizilahy 10 taona avy niandry omby no namoy ny ainy tamin’ ny fomba hafahafa tsy mampino niolan-tenda ny sabotsy teo, tany Andranovory Toliara II

. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia namono bibilava izy sy ankizy telo niara-nilalao taminy tany am-piandrasana omby ny zoma maraina. Tonga tany an-tranony ity zazalahy ity ny harivan’io dia nitaraina narary an-doha, avy eo niolanolana toy ny bibilava ny tenany. Ny ampitson’io izy dia namoy ny ainy rehefa nijaly. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia ny alin’ny zoma io ihany ilay zazalahy, nilaza fa mahita olona mampahatahotra azy, kanefa ny ao an-trano tsy mahita izany, ary nanomboka nivalomainty avy eo sy nanao fihetsika bibilava. Maro tamin’ny olona teo an-tanàna sy tamin’ireo toerana manodidina no tsy nino tamin’ny fomba mahagaga nahafaty an’ity zazalahy ity, ary vetivety dia niely ny tsaho sy ny vaovao. Nalevina ny alatsinainy teo ity ankizilahy ity rehefa vita ny fombafomba samihafa. Eto amintsika mbola maro ny toerana sy biby manan-jina, indrindra ny amin’ny faritra Atsimon’ny nosy iny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT