Fotoana tena mampahazo vahana ny hain-trano izao vanim-potoanan’ny hafanana izao. Voakasik’izany ny teny Andranonahoatra Itaosy izay nitrangana hain-trano goavana ny alatsinainy nifoha omaly talata tokony ho tamin’ny 12 ora alina.
Vokatry ny fandoroana kodiarana nataon’ireo mpiambina ny toerana famonoan’omby iray izay lasibatra ihany koa no nahatonga ny loza, niitatra tamin’ny toerana fivarotan-kazo iray tsy lavitra azy, nihazo ny trano iray misy rihana teo an-tokotaniny. Nahazo laka tanteraka ny afo. Nanampy trotraka azy ihany koa ny fisian’ireo hazo mitentim-bidy am-polony tapitrisa efa maina ka tsy maty ny afo hatramin’ny omaly tamin’ny 2 ora folakandro nakana ny fanampim-baovao. Araka ny fanazavana azo dia mbola nitahiry afo avokoa ireo milina mpanaparitaka herinaratra sy milina hafa tavela tao amin’ilay toerana famonoan’omby ka tsy afaka niala teny an-toerana ny mpamonjy voina sy ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny omaly hariva. Ramatoa lehibe iray manodidina ny 70 taona no voatery nobataina tao an-tokantranony tamin’ny misasak’alina vokatr’io afo io, ny fananany kosa tsy nisy avotra fa lasa lavenona. Tranombarotra iray teo am-pitan’ity toerana famonoan’omby ity ihany koa no azon’ny afo ny varavarany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.