Actualités

Andranofeno atsimo Nahazo fotodrafitrasa maro sosona


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Nahazo fotodrafitrasa maro sosona ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranofeno Atsimo, 140 km miala an’Antananarivo Renivohitra, toerana namindran’ny minisiteran’ny mponina ireo olona sahirana ara-pivelomana maro isan-tsokajiny.

 

Tafiditra ao anatin’izany ny ivontoerana natokana ho an’ny ankizy antsoina hoe : sahan’ny ankizy. Rahampitso alakamisy 11 febroary no hotokanana amim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa  miaraka amin’ny  paompin-drano fisotro madio. Maromaro  ny toeram-piofanana arak’asa natokana ho an’ireo mponina ao an-toerana, indrindra fa ny tanora. Tafiditra ao anatin’ny lamin’asa, napetraky ny minisiteran’ny mponina sy ny asa sosialy tamin’ny taona 2015 moa izany, asa izay mbola hitohy hitsinjovana azy ireo. Mahatratra  35.000 ireo mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao ka zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Vokatry ny fiaraha-miasan’ireo minisitera miisa telo dia ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny minisiteran’ny rano ary ny minisiteran’ny mponina kosa no angady nananana sy vy nahitana izany. Hatreto aloha dia ny fambolena sy ny fiompiana no tena foto-piveloman’ireo mponina ao an-toerana. Efa misy ny sekoly natokana ho an’ny mpianatra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT