Raim-pianakaviana iray 55 taona monina eny Anjanahary no maty nitsahin’ny fiara taksibe ao amin’ny zotra 163 omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora teny Andranobevava
Raha araka ny fanazavana azo dia efa avy nodonin’ny fiara kangoo iray avy any Analamahitsy hiakatra eto an-drenivohitra ity raim-pianakaviana ity no nipitika ary nifatratra avy hatrany tao ambanin’ilay zotra 163 hihazo an’Ankadikely Ilafy. Vokany, maty tsy tsa-drano izy. Raha araka ny fanazavana azo hatrany moa dia niampita ity raim-pianakaviana ity nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza. Somary nisy fitohanan’ny fifamoivoizana mantsy teny an-toerana. Tsy fantatra anefa izay zava-nitranga fa voadona tampoka izy ary izao namoizany ny ainy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.