Lasan’ny teratany vahiny ny tanin’ireo mponina teny Andranoambo Andohatapenka II izay efa nomaintisin’izy ireo molaly hatry ny ela.
Mba noneran’ity teratany vahiny ity vola nitentina 190 tapitrisa ariary anefa ny tranon’ireo fianakaviana 53 nipetraka tao amin’io tanàna io nialoha ny nanalany azy ireo tamin’ny tany nipetrahany. Tsy tonga tamin’ny nomena azy ara-dalàna anefa ny vola fa nisy nanodinkodina an-dalana izay teratany Malagasy mitovy amin’ireo mponina ihany ka trano tsizarizary no mba voatsangan’ireto mponina ireto. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy, tamin’ny sabotsy, ny vovona Hafari Malagasy ary nanolotra fitaovana nitentina 3 tapitrisa ariary, hanajarian’ireo mponina vonjimaika ny toeram-ponenany. Tanjona ny hamindrana azy ireo any ambanivohitra, ao anatin’ny tetikasa “exode urbain”, hoy ny filoha nasionaly Rafanomezantsoa Jean Nirina, hahafahany manana foto-pivelomana mendrika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.