Actualités

Andrangy-Antsirabe I Trano 3 nasesin'ny jiolahy, olona iray voatifitra


  • Talata 25 Novambra 2014

Miverina indray ny fanafihana mitam-basy ao Antsirabe raha somary nangingina tao ho ao. Nitragana fanafihana indray mantsy tao amin’ny fokontany Andrangy ny alin’ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina

Trano niisa 3 no nasesin’ireo jiolahy. Voalazan’ireo niharam-boina fa nahatratra am-polony ireo mpanafika sady nirongo basy Kalack niisa roa. Raha ny fantatra dia nahazoan’ireo jiolahy vola nanodidina ny 2 hetsy Ariary ny trano notafihin’izy ireo voalohany ary tao amin’ilay trano farany koa dia tsy nisy afa tsy 7 Arivo ariary. Nitady fanampim-bola ireo jiolahy saingy nilaza ho tsy nisy intsony ny tompon-trano ka notifirin’izy ireo ny fen’ilay raim-pianakaviana. Raha ny nambaran’ireo niharam-boina dia toa tifitra tsy nahy ihany na tsy voafehin’ireo jiolahy ny basy no nahavoa ity raim-pianakaviana ity satria toa nipoaka tampoka izany ilay izy ary tsy nikendrena olona akory. Vokany, bala 4 no nipoaka tao an-trano fotsiny. Voalazan’ireo niharam-boina ihany koa fa nifamaly ireo jiolahy satria nisy iray tsy nankasitraka ny nitifirana ilay rangahy tao an-trano, ary nahagaga aza dia namonjy ilay rangahy naratra koa ireo jiolahy sasany ary nanampy ilay ramatoa tompon-trano namehy ny ratra sy nanome baiko ny hitondra azy io haingana eny amin'ny hopitaly. Tombanan'ny fianakaviana moa fa mety ho olona mahalala tsara azy ireo no nahavita izao fanafihana izao, na nanome ny momba azy ireo. Mpivarotra mantsy izy ireo teo aloha, saingy efa tapa-bolana no niato kely izany noho ny fanitarana tokony hataony. Efa tonga tany an-toerana moa ny mpitandro filaminana ary efa misokatra ny fanadihadiana momba ity fanafihana ity. Tsaboina ao amin’ny hopitaly Atsimo kosa ilay raim-pianakaviana niharam-boina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT