Actualités

Andotiana, tovovavy Malagasy monina any Frantsa 25 andro izay no nanjavonany


  • Sabotsy 02 Febroary 2019

Tsy mbola hita hatramin’ny omaly folakandro, fiandohan’ny volana febroary i Andotiana, ilay tovovavy kely teratany Malagasy26 taona nipetraka tao Rueil-Malmaison, Ile de France, toerana nanofany trano niaraka tamin’ireo namany, rehefa nanjavona ny 9 janoary lasa teo.

 

 

 

An-dalana hody avy tany am-piasany izy ny alin’ny 8 janoary lasa teo  no niantso an’ilay olon-tiany  farany tahaka ny mahazatra. Manao asana “serveuse” ihany koa mantsy izy rehefa faran’ny herinandro. Tokony ho tamin’ny 8ora alina no nisehoan’izany. Taorian’izay  dia tsy niantso sady tsy nifandray tamin’ilay olon-tiany aty Madagasikara intsony ny tenany.  Fotoana vitsy taty aoriana  rehefa nahare vaovao tamin’ireo naman’i Andotiana  ilay anadahiny tokana monina ao Frantsa dia tonga nijery azy tao an-tranony saingy nambaran’ny manodidina fa efa tsy  nody  nandritra ny andro maromaro izy. Tsy nahitana korontana anefa tao an-tranony fa nilamina tsara. Rehefa nanontaniana ihany koa ny tany am-pianarana dia namaly fa efa andro maromaro izy no tsy tonga nianatra. Mpianatra momba ny “sosiôlojia” ao amin’ny oniversiten’i Nanterre  izy. Efa tonga any an-toerana  ny alarobia lasa teo ny rainy hanampy amin’ny fitadiavana an’i Andotiana, fanampiana avy amin’ny minisitry ny raharaham-bahiny eto amintsika. Mangataka vavaka ho azy ny fianakaviany izay tanterahina isa-maraina sy hariva sady miangavy ny hanapariahana ny sariny ihany koa hanafainganana ny fitadiavana azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT