Actualités

ANDOTIANA – maty tany Frantsa Ho avy amin’ny zoma ny nofo mangatsiakany


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Higadona an-tanindrazana amin’ny zoma 22 febroary ho avy izao ny nofo mangatsiakan’i Andotiana, ilay tovovavy malagasy very ary hita faty tany Frantsa ny herinandro lasa teo.

 

Ny  fitondram-panjakana Malagasy no nandray an-tanana izany manontolo,  miaraka amin’ny fampodiana ilay rainy nahitany masoandro izay nalefa tany an-toerana mihitsy nijery ny zava-misy. Mbola any amin’ny masoivohon’i Madagasikara ao Parisy ny fianakaviana no manatanteraka ny fomba malagasy sy ny famangiana raha  miandry eto an-tanindrazana kosa ny ankamaroan’ny fianakaviana.  Tsiahivina moa fa mbola mitohy ny fikarohana mahakasika ity raharaha ity, indrindra fa ny momba ilay vaovao miely mikasika ny antony nahafatesany. Nanamafy moa ireo fianakaviany fa tsy namono tena i Andotiana ary tsy mbola ampy ny porofo entina ilazana izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT