Actualités

ANDOTIANA Halevina anio eny Ampitatafika


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Eny amin’ny fasan-drazany, Tangaina Ampitatafika no hotanterahina ny fandevenana an’i Andotiana, aorian’ny fotoam-pivavahana manomboka amin’ny 12 ora sy sasany anio alatsinainy 25 febroary.

 

 

 Nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato afak’omaly maraina sahabo ho tamin’ny 3 ora. Izy ilay tovovavy mpianatra Malagasy maty tany Frantsa. Fiaretan-tory in-droa alina no

notanterahin’ireo fianakaviana. Nidodododo nitsapa alahelo ireo mponina maro manodidina teny Antanetibe Itaosy sy ireo havana aman-tsakaiza ary ny olom-pantatr’ireo nanana ny maty ny roa

andro naha teo ambohitra ny razana, araka ny loharanom-baovao avy eny an-toerana. Tsiahivina fa nampaontsa tanteraka ireo teratany Malagasy monina any Frantsa, indrindra ireo namany, ny

nanatrika ny fiaingan’ny razana tany ivelany, nandritra ny naharenesana ny kabary nataon’ny fianakaviana izay efa navoakan’izy ireo tamin’ny tambajotran-tserasera mikasika ilay ”Dia tsy mipody” (Voyage sans retour) an’i Andotiana. Maro no latsa-dranomaso tamin’izany. Nianatra tao amin’ny Institut d’étude politique de Madagasikara na IEPM izy, niala antenantenan’ny

taom-pianarana fa nahazo vatsim-pianarana tany ivelany. Niainga teto Madagasikara izy ny taona 2016 mba hamita ny fianarana ambaratonga ambony hahazoana ny diplaoma “Master” amin’ny

fandinihina ny fiarahamonina na ny “sociologie” tany Nanterre. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny tapaky volana febroary teo ireo mpiara-mianatra taminy tao amin’ny IEPM ka nanokana iray minitra ho fahatsiarovana azy. Tsiahivina fa nanomboka ny 8 janoary no nanjavona ity mpianatra Malagasy tany Frantsa ity. Ny vaovao nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery Frantsay sasany izay nilaza fa hita ny 4 febroary tao Vitry-sur-Seine, ny vatana mangatsiakan’Andotiana, nahitsin’ny fianakaviany ary nolazainy fa tao Yvelines, Bougival izany. Manaraka akaiky ity raharaha ity sy ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro ny filaminana frantsay ny mpisolovavan’ny fianakavian’ny maty. Izahay ankohonan’ny gazety dia mirary fiononana hatrany ho an’ny fianakaviana.

 

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT