Tapaka andro vitsy lasa izay ny lalam-pirenena faha-7 eo amin’ny PK 10, eny Andoharanofotsy
. Ampahan-dalana mirefy 200m no simba, lalana izay tena mampikolay ny mpampiasa azy io. Misy hatrany ny fanamboarana saingy simba matetika ity ampahan-dalana ity, satria nisy fantson-drano vaky tao ambaniny. Fanamboarana hatrany ifotony no atao amin’izao, ka tsy maintsy nanapahana ny lalana, izay fiaraha-miasan’ny Kaominina Andoharanofotsy amin’ny ministeran’ny Asa vaventy. Nandrendrehana simenitra na “béton” ilay lalana mba hisorohana ny fiverimberenan’ny olana. Nijery ny fizotry ny asa teny an-toerana ny Ben’ny tanàna Ranirison Hasina. Tokony ho vita anio talata 2 febroary izy ity fara fahatarany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.