Milaza ny hitory eny amin’ny fitsarana ireo olona noravana trano omaly teny Andohatapenaka manakaiky ilay Village Voara izay nokasaina hampiantranoana hetsika maro mandritra ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia amin’ny volana novambra.
Trano fonenana miisa enina moa no tsy maintsy narodana omaly satria tafiditra ao anatin’ny faritra hananganana ny trano misy ny « village artisanal » sy ilay « galerie d’exposition » mirefy 2000 m². Tsy nisy ny fampilaza mialoha natao taminay, hoy ireto tompon-trano fa tonga dia izao fandrodanana izao no natao. Tanim-panjakana kosa io ka tonga ny fotoana ilana azy, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny minisitera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.