Actualités

Andohatapenaka Niveri-maina ireo zanak’i Dada


  • Talata 27 Oktobra 2015

Bildôzera mandrava rindrina, vavahady mikatona tsara ambin’ny zandary avy ao amin’ny emmo reg, no sary hita teny amin’ny labatoaran’Andohatapenaka omaly vao maraina.

 

 Tsy afaka niditra fa nionona tamin’ny tazan-davitra ireo mpiasan’ny Tiko sy mpiara-dia amin’Atoa Marc Ravalomanana saika hanohy ny asa fanadiovana teny an-toerana, araka ny fotoana efa nifanomezana tamin’ny herinandro. Tonga teny nijery ny zava-misy ireo olom-boafidy avy amin’ny TIM sy ny tompon’andraikitry ny kaominin’Antananarivo Renivohitra, nifampiresaka tamin’ny mpitandro ny filaminana izy ireo nanontany ny zava-mitranga. Ireo mahazo alalana avy amin’ny fanjakana ihany no mahazo miditra ao amin’ny faritry ny labatoara, hoy ny manamboninahitra nitarika ny emmo reg teny an-toerana. Tsy maintsy sakanana ny olon-kafa ankoatr’izay, hentitra ny baiko azonay avy amin’ny lehibenay ka any ianareo miresaka raha mila fanazavana fanampiny, hoy ilay manamboninahitra. Tsy nisy resaka hafa azo natao, koa dia niala teo ireo olona efa nivorivory. Hodinihana kosa ny ho tohin’ny hetsika atao, hoy ireo depiote TIM, an-kilany niantso fitoniana ry zareo avy ao amin’ny kaominina.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT