Actualités

ANDOHARANOFOTSY


  • Alarobia 20 Aprily 2016

Nitrangana savorovoro teny Andoharanofotsy-Antananarivo Atsimondrano omaly noho ny hetsika nataon’ny kaominina handaminana ny tanàna ka nanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana.


 Tsy nanaiky ireo mpivarotra, niakatra teny amin’ny biraon’ny kaominina. Tonga nandamina teny an-toerana ny mpitandro filaminana, nisy ihany koa ny fanelanelanana natao mba handaminana ny raharaha.

ONIVERSITE  MAHAJANGA
Voalaza indray izao fa tsy jiolahy araka ny feo mandeha ilay tovolahy, 23 taona, maty novonoin’ny mpianatra tao amin’ny Campus Ambondrona ny alin’ny alahady 17 aprily teo, fa mpiandry soavaly. Naheno olona mikorana, toa manao fety no nidirany tao anatin’ny faritry ny toeram-ponenan’ny mpianatra mba hamonjy fety, kinanjo voampanga ho mpangalatra ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ary maty.

AMPARAFARAVOLA
Tsara ny voka-bary tamin’ity taom-pamokarana ity. Miantso ireo mpanangombokatra ny tantsaha ho avy any an-toerana.

ANTANINARENINA
Hisy famelabelaran-kevitra hataon’i André Rakotondranaivo, Mpampianatra sady mpanoratra, anio mandritra ny Foaram-boky tanterahina eo amin’ny zaridaina Antaninarenina.

MAHAJANGA
Posy nitondra kesika feno voatabia no nodomin’ny fiara 4x4 iray nentina sinoa tamin’ny lalana midina ny Pont FITIM amin’ny lalam-pirenena faha-4, omaly maraina. Nivarina tany an-kady ilay posy sy ireo entana nentiny. Nipitika niaraka tamin'izay koa ilay mpitondra posy sady naratra.

FIANARANTSOA
Manohy ny fitakiana ny amin'ny ahazoana ny vatsim-pianarana ny mpianatry ny oniversite ao Andrainjato.

FIZAHANTANY
Hanara-maso ireo hotely miray tsikombakomba, amin'ireo mpizahatany mamoafady sy mampiasa zaza tsy ampy taona, ny Ofisim-pirenena ho an'ny fizahantany eto Analamanga

MAHABO MENABE
Lasibatry ny asan-jiolahy ny toeram-pivavahana, “baffle” sy micro no lasan'izy ireo tao amin'ny fiangonana Advantista.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT