Sokatra niisa 16 nitadiavana mpividy no saron’ny zandary. Avy any Betioky Toliara ireo sokatra, nampitondrana fiarakodia.
Mbola nahitana bala niisa 24 tany an-tranon’ilay mpibizina rehefa nosavaina ny tranony. Nandritra ny fiofanana ara-miaramila no nambarany fa nanangonany an’ireo bala ireo.
IVATO
Mandà hiala amin’ny tany ny mponina, hamboaran-dalan’ny frankôfônia mampitohy an’i Tsarasaotra - Ivato, rehefa tsy hamily ny soritry ny lalana ny Fanjakana. Tany sy trano aloha vao miala izahay, hoy ny mponina. Nanao hetsika fanairana izy ireo ny sabotsy teo.
TANJOMBATO
Ankizy zato isaky ny Fokontany dimy ao an-toerana no ampisakafoanan’ny Kaominina isaky ny sabotsy, miaraka amin’ny malala-tanana.
ANKATSO
Niravona ny disadisa teo amin’ny mpianatra avy any Atsimo Atsinanana sy ny Betsileo. Nangataka omby telo iretsy voalohany, araka ny fomban’izy ireo.
ANDRON’NY ZANDARY
Hohamafisina ny ady amin’ny dahalo, anisan’ny nivoitra io nandritra ny fankalazana ny andron’ny zandary ny 2 aprily teo. Hanampy amin’izany ny Tafika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.