Trano lehibe iray, ahitana rihana roa, ao amin’ny fokontany Andohanimandroseza no tra-tehaka noho ny fangalarana herinaratra.
Raha ny fanazavan’ny mpitsirika dia ny taona 2017 no notapahana ny herinaratra tao amin’ity trano lehibe ity noho ny tsy fandoavany ny faktioran’ny JIRAMA. Rehefa natao anefa ny fitsirihana dia mbola nihodina hatrany ilay kaontera hatramin’ny faran’ny septambra teo. Rehefa nanontaniana ny tompon-trano dia nilaza fa mpiasan’ny orinasa JIRAMA ihany no namerina ny herinaratra tao aminy rehefa avy nitaky vola 6 hetsy ariary tamin’ny tompon-trano. Nandray ny andraikiny, nanala ilay kaontera avy hatrany moa ny mpitsirika ary nandefa fampiantsoana ho an’ilay tompon-trano sy ilay mpiasan’ny JIRAMA voatonontonona tamin’izao halatra izao. Araka ny fitsipika eo anivon’ny orinasa JIRAMA dia hampanonerana izay sandan’ny herinaratra nampiasainy, ilay tompon-trano. Raha toa ka mandà ny marimaritra iraisana izy dia hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ny orinasa JIRAMA. Raha tsiahivina, nahatratra 351 ny fitsirihana notanterahina teo anelanelan’ny volana febroary sy jolay 2019. 257 ny hosoka tratra raha 91 kosa ny halatra. Mitentina hatramin’ny 708 960 751 ariary kosa ny vola niverina tamin’ny orinasa JIRAMA tamin’ny fanaovana fitsirihana ny taona 2018 ka hatramin’ny jolay 2019.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.