Actualités

Andohanimandroseza Mampiaka-peo ireo mety horavana trano


  • Alakamisy 07 Aprily 2016

Nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy indray ny mponina eny Andohanimandroseza omaly. Ireo mety horavana trano amin’ny fanamboaran-dalana tanterahina eny an-toerana no nanao fihetsiketsehana.

 

Tsy mandà ny fanamboaran-dalana izy ireo, fa manohitra kosa ny fikasana handrava trano amin’ny fanatanterahana izany. Trano enim-polo tafo no voalaza fa mety voakasiky ny fandravana. Ny faran’ny herinandro lasa iny dia nisy fihetsiketsehana ihany koa teny an-toerana saingy ireo mpitatitra no nibahan-dalana, naneho ny tsy fahafalian’izy ireo amin’ny faharatsian’iny ampahan-dalana mihazo an’Ambohipo iny. Ny andron’ny fitokonana ihany dia tonga teny an-toerana ny manampahefana sy ny fitaovana vaventy nanao fampanantenana sady nanamboatra ny lalana.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT