Velon-taraina ny olon-tsotra sy mpandraharaha sasany any amin’ny faritra noho ny afitsoky ny andian’olona izay milaza fa hoe akaikin’ny filoham-pirenena ka tonga dia manao be midina sy manao izay tiany.
Nisy andiana bokon’ozatra na “Gros bras” tany Apandramitsivalana, kaominina ambanivohitr’Andohan’Ilakaka, ny faran’ny herinandro teo mahasahy mibaiko mpitandro ny filaminana tsotra izao ary tonga dia niditra sy naka ny karieran’olona fantatra fa misy vatosoa. Tena mitovy tamin’ilay zava-nisy tany Anjozorobe naha voatonontonona ny zanaka lahin’ny filoha ity tranga tany Andohan’Ilakaka ity. Tsy misy resaka firy, tsy misy taratasy fa tonga dia niditra tamina faritra voaaro tany amin’ny kaominin’i Bekaraoka – Fianarantsoa ihany koa ny andiana “gros bras” izay milaza koa fa mahafantatra olona ambony. Ny mahagaga dia mangina tsy miteny, tsy mihetsika ny manampahefana any an-toerana, hoy ireo nampita ny vaovao. Ny mampalahelo dia roahina ny malagasy mpitrandraka madinika avy eo misy olona maka ny toeran’izy ireo ary arovan’ny mpitandro filaminana fatratra. Mandeha avy hatrany ny fitrandrahana ary lasa maloto hatramin’ny rano ampiasaina ao an-tanàna ka tena mampitaraina ny mponina. Ireo no toerana nahazoana fitarainana sy vaovao fa mbola maro raha ny feo mandeha ny faritra ahitana andian’olona tonga dia mitrandraka harena ankibon’ny tany. Mandefa ny fitarainana izahay, hoy ireo niharan’ny don-tandroka ary manaitra ireo izay manampahefana mbola tonga saina sy miaro ny vahoaka mba hijery akaiky ireo toe-javatra ireo fa efa tena tsy rariny ny ataon’ireo andian’olona bokon’ozatra milaza fa iraky ny filoha ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.