Actualités

Andohan’i Mandroseza, Ambohipo Nitokona noho ny lalan-dratsy ny Taksibe


  • Sabotsy 02 Aprily 2016

Manao be marenina hatrany ny minisiteran’ny asa vaventy amin’ny fanamboarana ireo lalan-dratsy eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 

Voakasik’izany manokana ny lalana mihazo an’Ambohipo manomboka eo amin’ny clinique Ambatoroka ambany ka hatreny  an-tampon-tanàna izay  manodidina ny 15  km eo ho eo ka ny 300 m no tena ratsy. Efa ela ny minisiteran’ny asa vaventy no nampanantena ny amin’ny hanamboarana ity lalana ity saingy resabe fotsiny hatramin’izao. Efa nisy mihitsy ny fametrahana panneau teny an-toerana ny amin’ny hanaovana ny asa saingy zesta fotsiny izany ka izao niafara tamin’ny fitokonana izao, hoy ny mpamily. Zotra  miisa fito be izao no indray nanao ny fitokonana nanapaka ny lalana omaly toy ny  129, ny 164, ny 180, ny 017, ny 182, ny 156, ny 196 izay naharitra ora telo teo ho eo. Takian’izy ireo tsy misy hatak’andro ny hanamboarana ity lalana ity indrindra ny eo Andohan’i Mandroseza izay tena potika tanteraka. Nambaran’Andriamanohisoa Gerard, tale eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany  izay solontenam-panjakana nidina teny an-toerana  fa horaisin’ny minisitera misy azy an-tanana ny asa  fanamboarana ho fitsinjovana ireo taksibe sy ny mponina. Notsindriany kosa fa tsy maintsy hisy ny fandravana trano eny amin’iny lalana mihazo an’Ambohipo iny. Vokatry ny fanamboaran-trano tsy ara-dalàna eny an-toerana mantsy no mahatonga ny rano hivarina eny amin’ny arabe tahaka izao ka manimba azy. Omaly hariva moa dia efa nisy fiarabe mpanamboatra lalana tazana teny Ambatoroka ambany. Rahoviana no hanomboka marina ny fanamboaran-dalana ?

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT