Actualités

Andilamena Mibanaka indray ny Safira


  • Zoma 30 Janoary 2015

Ifanotofana ankehitriny ny mihazo ny distrikan’Andilamena. Misy kariera vao misokatra indray eo anelanelan’Andrebabe sy Andrebakely. Efa ho telo herinandro izao dia tanora maro no mitanjozotra mihazo izany toerana izany. Raikitra ho azy ny bizina sivana ao Ambatondrazaka

 

. Efa tazana any an-toerana koa ireo mpanao vato avy any Ilakaka. Malalaka rahateo ny fitrandrahana fa tsy tahaka ny tany amin’ny kaominina Didy izay tao anaty faritra arovana ka voatery noravan’ny mpitandro ny filaminana. Fantatra fa Safira amin’ilay kalitao tsara indrindra ity vaky any Andilamena ity. Misy ireo izay efa nahazo ka nivarotra izany teto Antananarivo. Miverina haresaka indray izany ny distrikan’Andilamena sy Ambatondrazaka amin’ny fisian’ity kariera Safira mibanaka any Andilamena ity. Marihina fa tsy mahasakana ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany ny orana mikija any an-toerana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT