Mifototra amin’ny fampiasana fitaovana termika ny ¾ ny loharanom-pamokarana herinaratra eto Madagasikara. Lany amin’ny fividianana gazoala avokoa noho izany ny 75%-n’ny tohana ara-bola 300 miliara ariary isan-taona avy amin’ny fanjakana foibe.
Efa mifampiraharaha amin’ny orinasa tsy miankina mikasika azy io moa ny orinasa Jirama amin’izao fotoana izao, hoy ny tale jeneraliny Razafindroriaka Nestor. Efa voavaha amin’ny ampahany betsaka kosa ny olan’ireo milina manome ny famokarana ny 85%-n’ny angovo eto amintsika. Tsy tokony hisy intsony ny delestazy raha ny lamina tetiandro efa napetraka fa mifandraika kokoa amin’ny lafiny toetrandro ny fahatapahan’ny jiro misy ankehitriny, araka ny fanazavany. Ritra ny rano ao Andekaleka ka milina 1 amin’ny 3 sisa no mihodina ao an-toerana. Sambany rahateo teo amin’ny tantaran’ny orinasa mpamokatra sady mpamatsy angovo eto Madagasikara no nisehoan’izany, araka ny fanamarihan’ity tompon’andraikitra mpitantana ny Jiro sy Rano Malagasy ity. Tranga izay efa fantatra taorian’ny fanadihadiana ny volana oktobra 2014 ary efa nanaovana loabary an-dasy ihany koa ny volana novambra 2015.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.