Mitotongana ny fiainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny, araka ny fahitan’ny «Association Nationale Wisa» azy. Fanina sy tsy mahita ny lalankalehany intsony ny ankamaroan’ny olona ka miantsampy any amin’ny hazo tsy fantatra
. Mahazo vahana tanteraka ny bizina fitadiavam-bola sy tombontsoa manokana amin’ny endrika samihafa. Rehefa tsy roboka any amin’ny fanaovana politika ohatra ny olona dia voasarik’ireo fandrebirebena isan-karazany toy ny loka sy ny fanarahana fampianaran-diso mifanohitra amin’ny lalana marina sy mahitsy. Tsy vahaolana anefa ireo notanisaina teo ireo, hoy ny filoha nasionalin’ny Anawi maître Rakotoarijaona Avoko. Miainga avokoa ao anatintsika ny zavatra rehetra ary mitovy daholo ny Hery sy Tanjaka nomen’Andriamanitra ny olombelona. Ilaina kosa ny fahaizana manaitra sy mamoha io Hery anaty io mba tsy hinoana ny fahaizan’olon-kafa. Izay indrindra no nahatonga ireo mpikambana Anawi hanokana fotoana ho an’olon-drehetra isaky ny sabotsy voalohan’ny volana izay hanomboka rahampitso 7 febroary folakandro ao amin’ny Cinéma Ritz Analakely. Tanjon’izy ireo ny hizara ny fahalalana faratampony amin’ny Malagasy manerana ny nosy ka hamerina indray ny tombambidin’ny olona tsirairay mba hanana fahatokisantena sy herintsaina hiatrika ny fiainana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.