Actualités

ANALOGH Hanangana trano 400 manomboka amin’ny 2017


  • Sabotsy 03 Desambra 2016

Trano fonenana miisa 400 indray no kasain’ny ANALOGH ( Agence National d’Appuie au LOGement et Habitat) hatsangana manomboka amin’ny taona 2017 ho avy io.

Efa nahatratra 415 ny vita  tao anatin’ny dimy taona niorenany. Natao ho an’ny sokajin’olona rehetra ny trano, hoy Ranaivoson Joelito, tale mpanatanteraka  eo anivon’ny orinasa. Mitsinjara ho telo ny vidiny dia ny mora indrindra, ny antonony ary ny lafo indrindra. Mankalaza ny fahadimy taona  niorenany ny ANALOGH ankehitriny. Varavarana misokatra entina hampahafantarana ny orinasa sy ny manodidina ny asa fanorenan-trano ho an’ny daholobe tanterahina no nanokafana ny hetsika omaly tetsy amin’ny foiben-toerany Ankadimbahoaka. Tonga nanatrika ny fotoana ny tale jeneralin’ny fananantany Andriamatoa Hasimpirenena izay nanazava manokana ny fomba fahazoana ny tany amin’ny  fanorenan-trano eto amintsika. Nambarany fa efa misy ny fikarakarana manokana izay manaraka amin’ireo dingana maro samihafa ka tokony hanatonana ireo sampandraharaha miandraikitra azy manokana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT