Actualités

Analavory Itasy Mihatra ny «Couvre feu»


  • Alatsinainy 01 Desambra 2014

Mihatra ao Analavory Itasy ankehitriny ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina. Manomboka amin'ny sivy ora alina izany, ary mitohy hatramin'ny telo ora maraina

. Nisesy loatra ny asan-jiolahy tany an-toerana tato ho ato, ka izay no anisan'ny nandraisana ny fepetra. Misy andiana mpitandro ny filaminana avy any Miarinarivo ihany tonga isak'alina misafo ny tanàna manodidina, manampy tosika ireo zandarin'ny tobin-janaparitra na «Poste Avancé» ao Analavory fa mbola mandry tsy lavoloha ny mponina, eny fa na ny ao tampon-tanàna aza. Mila ho isaky ny telo andro no andrenesana fanafihana mitam-piadiana izay amoizana ain'olona sy ahaverezana vola an-tapitrisany ankoatra ny omby. Tsy mifidy hasiana ireo jiolahy, izay manao andiany sy hary fitaovana rehefa manafika. Matetika dia ireo mpandraharaha mpanangom-bokatra no tena lasibatra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT