Actualités

Analamahitsy Ravan’ ny polisy ny tambajotra mpangalatra môtô


  • Talata 12 Janoary 2016

Manoloana ny fahamaroan’ny fitarainana fahaverezana moto eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia niezaka nanangona ireo vaovao rehetra mahakasika ireo mpanao ity asa ratsy ity ny polisy.

 

Vokany, tambajotrana mpangalatra moto iray izay nahitana lehilahy miisa telo no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny « Sureté Urbaine de Tananarive» na « SUT » Tsaralalana teny Analamahitsy  ny zoma, 8 janoary 2016 vao maraina be. Mbola tratra tao amin’ilay trano nisamborana azy telo lahy ireto koa ny moto scooter miisa telo tsy misy taratasy sy fanalahidina moto marobe ary kojakoja na moto hafa maromaro. Tamin’ny famotorana natao azy telo lahy no nahafantarana fa mitondra moto roa izy ireo rehefa hanao ny asa ratsiny. Arahiny izay moto tiany angalarina. Rehefa mijanona ilay moto dia ny iray amin’izy ireo manaraka ilay mpitondra moto amin’izay alehany raha miezaka mamoha ilay moto amin’ireo fanalahidy any aminy kosa ny roalahy. Manamora ny asany ka mahatonga ny olona tsy hiahiahy azy ireo koa ny fisiana aroloha eny aminy. Rehefa azony izay moto halainy dia ny lokony no ovainy voalohany avy eo soloiny hafa ny moteur ary amidiny mitokana indray ilay moteur avy nangalariny. Moto scooter Jog 90 no tena hataon’ireto tovolahy ireto lasibatra satria nolazainy fa “standard” ny fanalahidy miasa amin’ireny. Eny Analamahitsy, Ampasampito, Ivandry  ary Amboditsiry  no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Manentana hatrany ireo mpitondra moto ny lehiben’ny polisin’ny SUT, ny komisera Razafimanantena Herivelo Ralaimongo mba tsy hametrapetraka ny moto eny rehetra eny ary mba hanamafy ny hidiny fa tsy kely lalana ny ratsy ary efa tena betsaka ny mpangalatra moto ankehitriny. Natolotra ny fampanoavana ny sabotsy teo izy telolahy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT