Nankalazaina omaly alakamisy 07 aprily ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana. Ankoatra ny hetsika ofisialy tetsy amin’ny hopitalim-panjakana HJRA Ampefiloha niarahana tamin’ny
minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia hanatanteraka hetsika miavaka ihany koa ny Centre médical Marie Stella etsy Analamahitsy. Ankoatra ny fitiliana ny aretina diabeta maimaimpoana dia hisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny rehetra izay arahina fizarana fanafody mihitsy ho an’ireo hita fa tena sahirana. Hisy ihany koa ny fizarana spiruline, raha araka fanazavan’ny dokotera Feziny Séraphine, tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana. Nambarany fa zava-dehibe ny hafatra napetraky ny OMS tamin’ity taona ity mikasika ny aretina toy ny diabeta ka tokony hahay handrindra sy hanaraka izany tsara ny rehetra. Anisan’ireny ny fanaovana fanatanjahantena isan’andro amin’ny fotoana raikitra, ny fihinanana sakafo be otrikaina mba handrindra ny halavan’ny vatana amin’ny habe.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.