Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona 3 tany Analakininina- Ranomainty, kaominina Mandritsara, distrikan’i Brickaville omaly talata tolakandro tamin’ny 2ora30
Fiara fitaterana zotra « Madagascar voyage » mampitohy an’Antananarivo-Toamasina ity niharan-doza ity. Voalaza fa ramatoabe iray sy zaza herintaona sy tapany no maty teo no ho eo ary namoy ny ainy koa ny zazalahy iray rehefa tonga tany amin’ny hopitaly. 16 no naratra mafy ary nentina ao amin’ny hopitalin’i Brickaville. Araka ny vaovao dia vokatry ny fahavakisan’ny kodiaran’ny fiara ka nampivadibadika azy ambony ambany no nahatonga ny loza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.