Hatomboka eo Analakely sy ny manodidina ny lapan’ny tanŕna ny fitandrovana ny fahadiovana eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara.
Hisahana ny fanatontosana ny asa ireo ekipa 4 ahitana olona 5 isanisany miaraka amin’ireo fampitaovana ilaina amin’izany toy ny borety, kifafa, lapelina ary akanjo sy kapa fitondra amin’ny orana avy amin’ireo mpiaramiombon’antoka vahiny. Nifamotoana tamin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny delegen’ny boriborintany voalohany Razafimbelo Jacques Harinosy teny Analakely izy 20 mianadahy nandamina ity fomba fiasa vaovao hatao filamatra amin’ny fahadiovana eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ity omaly. Efa ao anatin’ny kajikakin’ny ben’ny tanàna ihany koa moa ny hijery manokana ny fanohanana ara-tsakafo ireo mpiasan’ny kaominina mpamafa lalana misahana ny fanadiovana ny tanàna eto an-drenivohitra izay matetika tratran’ny aretina raboka noho ny tsy fahampian-tsakafo. Tanjona lavitr’ezaka rahateo ny hanitatra ity fandaminana vaovao ity manerana ireo boriborintany enina hisitrahan’ny mponin’Iarivo izany fahadioavana mandavan-taona izany. Mampirisika ny fandraisan’andraikitr’ireo olom-pirenena isan-tsokajiny hitandro ny fahadiovan’ny arabe sy ny manodidina ny mpitantana ny CUA.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.