« Mitohy hatrany ny asa eto anivon’ny Boriboritany voalohany » izay no nambaran’ity filoha lefitra voalohany eny amin’ny boriborintany voalohany omaly , ny tanjona moa dia ny mba hanomezana endrika tsara hatrany ny renivohitr’i Madagasikara.
Taorian’ny fanadiovana faobe sy ny fanalàna ny mpivarotra tsy ara-dalàna dia niroso indray tamin’ny fanasiana sarony ireo « dalle » ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. « Dalle » 300 isa eo ho eo no ezahana asiana sarony ary ny eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina no hanombohana izany, ary ny ekipa teknika avy ao amin’ny boriboritany voalohany no nanatanteraka ny asa. Tena anisan’ny mampikaikaika ny mponina mantsy ny « dalle » tsy misarona satria sady mampidi-doza no ataon’ireo sasany fanariam-pako.Na dia eo anefa ny ezaka izay ataon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo renivohitra dia mbola maro ihany ireo izay tsy mahafantatra ny tokony hataony. Tsy mijery fotsiny izany tranga izany anefa ireo tompon’andraikitra fa tonga dia nandray avy hatrany ny andraikitra izay tandrify azy toy ny fanentanana sy ny fampianarana ireo vahoaka araka ny tokony ho izy ary mba hanaja ireo foto-drafitrasa rehetra eto Antananarivo satria dia tombontsoa ho an’ny rehetra no hanaovana izao fa tsy ho an’ny kaominina irery ihany. Tsara homarihana fa sarona « Dalle » mafy sy manara-penitra no hanoloana sy hanapenana ireo lakan-drano ary raha voakojakoja sy voahaja tsara dia mety haharitra aman-taonany maro.Fepetra entitra arak’izany no hampiharina amin’ireo izay mbola minia manimba sy mangalatra ireo foto-drafitr’asa ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.