Actualités

Analakely sy Mahamasina Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana


  • Talata 25 Jona 2019

Ao anaty fanomanana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan`ny fahaleovantena isika amin`izao.

 

Mahakasika ny matso etsy amin`ny kianjan`i Mahamasina, miisa 3 000 ireo mpitandro ny filaminana handray anjara amin’ny matso lehibe. Omaly ny famerenana farany natao tetsy Mahamasina. Hiova endrika ny famindra mandritra ny matso, satria dia hitovy avokoa ny famindrana sy ny hafainganam-pandehan’ny mpandray anjara rehetra sy ny porizenitra handraisana ny filoha sy ireo olo-manankaja. Hisy miaramila vahiny ihany koa, avy amina firenena enina no nasaina handray anjara amin’ny matso etsy Mahamasina dia i Kaomoro, Rwanda, Maorisy, Tanzania, Frantsa, Seychelles. Firenena telo no efa namaly fa ho avy, dia i Kaomoro, Maorisy ary Frantsa (FAZOI). Andrasana kosa ny Maorisianina, raha efa eto hatry ny alahady alina ny tafika kaomaorianina. Handray anjara mandritra ny matso ireo fitaovana vaovao ho an’ny foloalindahy, anisany ireo Fiaramanidina 5. Hanampy amin’ny fitondrana dokotera, fanafody, groupe électrogène ny fiaramanidin’ny tafika, CASA. Momba ny fiarovana mandritra ny asaramanitra indray dia zandary maherin’ny 2000 no hiasa. Nohatevenina manokana ny fiarovana an’i Mahamasina sy Analakely, nanomboka omaly alatsinainy 24 jona. Hisy fisavana atao na mpandeha an-tongotra na fiarakodia na “moto”. Ny lafiny fifamoivoizana kosa dia mampiasa drone avy amin’ny BNGRC ny mpitandro ny filaminana, ATT, minisiteran’ny fitaterana, RNM, handrindrana ny fifamoivoizana amin’izao Asaramanitra izao. Voakasika manokana ny eto afovoan’Antananarivo. Efa nampiasaina nanomboka tamin’ny maraina ny drône ary hampiasaina hatramin’ny 27 jona izao. Etsy an-kilany, najanona ny asa fanamboaran-dalana mialoha ny 25-26 jona, mba hahafahana mampikorisa ny fifamoivoizana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT