Tena lasa tanànan’ny bizina tanteraka ny etsy Analakely. Ankoatra ny mpividy volamena tsy ara-dalàna sy ny mpivarotra diplaoma sandoka mantsy dia fantatra ihany koa fa misy andian’olona mivarotra olona am-pitsanganana eny an-toerana amin’izao fotoana izao
. Renim-pianakaviana maromaro izy ireo no manao ny asa, miasa isan’andro manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva. Mitily ireo vehivavy tsara tarehy sy bikana ary hitany fa maika vola no hataon’izy ireo. Mody mandokadoka ilay tovovavy no hanombohany ny resaka, mitohy amin’ny fanontaniana ny olan’izy ireo ho an’ireo mora resahina ary miafara amin’ny hoe : mahita lehilahy mpanam-bola mitady vehivavy izy amin’ny sarany 30.000 Ar. Ny 10.000 Ar no anjarany ary 20.000 Ar kosa ny an’ilay tovovavy raha manaiky ilay sera. Tovovavy betsaka no efa lasibatr’ity tranga ity, hoy ny fitarainana nataona renim-pianakaviana iray, eny hatramin’ireo mbola mpianatra aza. Tokony ho malina ny rehetra manoloana izany, indrindra ho an’ireo vehivavy somary manao fitafiana manaitaitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.