Actualités

Analakely Mahazo vahana ny bizina vehivavy


  • Talata 25 Novambra 2014

Manomboka mahazo vahana ny bizina vehivavy amin’izao etsy Analakely. Ireo tsy ampy taona no be mpitady indrindra raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana. Mpanam-bola avokoa no mitady azy ireny ankoatra ireo teratany vahiny.

Tsy mipoitra ireto farany fa saika efa miandry any amin’ny “chambre” avokoa. Ny mpanera no mivoaka manao ny asa, misintona ireo zazavavy  tsy ampy taona manao akanjo mampiseho fe na tratra, tonga mihaodihaody eny  Analakely na mitady asa ihany koa. Fomba tsotra no hisarihan’ireo mpanera azy ireo, raha araka ny fanadihadiana natao ihany. Mody manontany izay asa tadiavin’ilay zazavavy ny sasany raha miresaka mivantana avy hatrany kosa ny sasany miankina amin’ny paozin’ilay vehivavy. Manomboka amin’ny 500 Ar ny tambin-karamany amin’izany raha misy mahatratra an’aliny kosa ny sasany, indrindra  raha mahafa-po ilay “patron” ilay vehivavy. Ankoatra ny vehivavy dia misy amin’ireo mpanam-bola na vahiny ihany koa no mitady pelaka. Toerana tokana ihany moa no ahitana ireo mpibizina vehivavy ao Analakely ao no sady miafinafina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT