Tsy azon’ny taksibe hidirana intsony manomboka anio talata 15 desambra, fotoana hanombohana ny “Bazar de noel” 2015 ny etsy Analakely sy Mahamasina, raha araka ny fanazavan-dRaveloson Landy, tompon’andraikitra ao amin’ny sampana “Urbanisme et dévéloppement”, eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra.
Taorian’ny fivoriana niarahan’ny kaominina sy ireo koperativa voakasika no nandraisana io fanapahan-kevitra io, fotoana izay nanomezan’ny roa tonta ny soso-keviny mikasika ny lalana tokony alehan’ireo taxi-be ihany koa na ny toerana tokony hijanonany. Ho an’ireo mandalo etsy Analakely saingy any Ambodifilao ny lalany dia fantatra fa mbola afaka manohy ny lalany toy teo aloha ihany izy ireo satria mahazo sisiny. Ho an’ireo taksibe tena tafiditra ao Analakely kosa anefa ny toby fiantsonany toy ny 133 miazo an’Itaosy dia tsy tafiditra any intsony izy ireo, ny laharana 190 miazo an’Andohalo...fa tsy maintsy mijanona any amin’izay toerana nifanarahan’izy ireo. Ho an’ireo avy any Mahamasina kosa indray ka tsy maintsy hamakivaky ny afovoan-tanàna dia tsy maintsy mijanona eny Andohan’Analakely izy ireo, hetsika efa fanao isan-taona fa tsy vao noforonina akory. Tsiahivina moa fa nifarana omaly ny fandaminana ny tsena ho an’ny tetsy amin’ny Esplanade Analakely.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.