Ho avy afaka fotoana fohy ny fanamboarana ireo fantsona goavana mirefy 1,50 metatra ao ambanin’ny arabe Andrianampoinimerina.
Araka ny nambaran’ny delegen’ny Boriborintany voalohany, Kaominina Antananarivo Renivohitra, Bernard Joseph, efa tamin’ny taona 1930 no nanamboarana io fantsona io ary dia izao efa ahitana fahasimbana izao, ka mahatonga ny fiakaran’ny rano eny amin’ny faritra manodidina an’ Analakely rehefa avy ny orana. Tamin’ny volana desambra 2018 no efa saika natomboka ny asa saingy noho ny fitsinjovana ireo vahoaka tamin’ny maha fety ny andro dia amin’ny 15 aprily 2019 ho avy izao indray no hanatanterahana izany, izay hatomboka eny amin’ny “Stèle” SIDA ary hifarana manoloana ny tranombarotra Shoprite. Hampiomanina, araka izany, ireo mpampiasa ny lalana toy ny mpitondra fiara, mpandeha an-tongotra, indrindra ireo mpivarotra mba hiomana fa ho tapaka mandritra ny fotoana fohy io lalana io, hanatanterahana ny asa hatao sy hisorohana koa ny loza mety hitranga mandritra ny fotoam-piasana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.