distrikan’i Morondava, ny 29 janoary lasa teo, rehefa nitaky ny tambin-karamany tamin’ny mpampiasa azy.
Raha araka ny vaovao voaray dia miasa amina tompon’osy iray mpanam-bola any an-toerana izy roalahy ireto izay ambenana mpitandro ny filaminana maro toy ny miaramila sy ny zandary mihitsy. Rehefa niaraka nisotrosotro anefa izy ireo dia nanararaotra nitaky ny karamany izy roalahy ireo kinanjo vavabasy no niandry azy. Ireo mpitandro ny filaminana mpiambina ilay mpampiasa azy ireo no nanao izany izay tena nampihoron-koditra fatratra ireo mponina any an-toerana tokoa. Izy ireo tokony hiaro ny ain’ny vahoaka indray mantsy no manaotao foana tahaka izao, fihetsika izay tena tsy tamim-piheverana tokoa. Manao antso avo amin’ny fanjakana ireto farany mba hijery akaiky ny zava-misy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.