Mahavalalanina ny zava-misy manimba sahady ireo fotodrafitrasa vita. Tamin'ny fandalovana tamin'ireo faritra manamorona ireo torapasika no nahafantarana fa hay misy mandrodana ary mangalatra mihitsy ireo bolongam-bato rarivato natao hiarovana ny sisin-dranomasina.
. Fotodrafitrasa niarahana tamin'ny p.i.c.(Pole Intégré de Croissance). Hetsika nifanindry tamin'ny fanamboaran-dalana tao an-drenivohitra Anosy. Tamin'ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa misy maniraka ireo mahavanon-doza ary izy ireo no mividy amin'ny sarany ambany. Mampalahelo fa maro amin'ireo asaina mangalatra vato no tsy mahafantatra izay mety ho fiantraikany amin' ny ranomasina. Tsikaritra fa toa miraviravy tanana ny ao amin'ny fiadidian'ny tanana. Raha tsy misy ny fepetra horaisina dia hirodana tsy ho ela ny sisin-dranomasina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.