Anisan’ny kaominina misedra olana tanteraka vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Enawo ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano.
Araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina mantsy dia efa tafakatra 1.400 latsaka hatreto ny isan’ireo traboina ao amin’ny faritra iadidiany ka ny 90 % amin’ireo dia ireo fianakaviana monina manamorona ny ranon’i Sisaony avokoa. Fianakaviana izay nomarihiny fa efa nanorina trano tany aloha be tany tamin’ny andron’ny mpitondra teo aloha ka tsy hitany intsony izay hanaovana azy. Voatery namindra ireo traboina ireo any amin’ny Ekar katolika, ny fiangonana, ny tranompokonolona ary ny EPP ny kaominina raha mbola ny kaominina sy ny solombavambahoakan’Atsimondrano voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM ihany koa no nanolotra fanampiana ho azy ireo nahitana fotsimbary amin’ny lasaka marobe…Ankoatra ireo traboina ireo dia fantatra ihany koa fa vaky hatrany amin’ny 100 metatra ny fefiloha iray ao Malaza. Toraka izany koa ny tohodranon’i Vavafito izay efa 50 taona mahery tsy nisy fanamboarana nefa miantoka ny famokarana amin’ireo kaominina eny amin’ny manodidina toa an’Alatsinainy ambazaha, Androhibe, Ampitatafika…. Betsaka amin’ireo voly vary no simba vokatr’izany. Ho an’ireo traboina manokana moa dia fantatra fa manana toerana malalaka azo hamindrana azy ireny ny kaominina saingy mila ny fanohanan’ny fanjakana kosa amin’ny fananganana trano amin’ny vidiny mirary ho an’ny mponina, vola azony aloa tsikelikely.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.