Actualités

Ampitatafika Manondrana indray ny mpanao politika


  • Sabotsy 13 Aogositra 2016

Mitaraina amin’ny afitsoky ny olona sasany izay ahitana mpanao politika mialokaloka ao ambadiny ny mponina eny amin’ny kaominina Ampitatafika distrikan’Antananarivo Atsimondrano,

 noho ny hevi-dratsy hanakanana ny tetikasam-pampandrosoana efa hirosoan’ny eny an-toerana ankehitriny. Nomarihan’ny mpitondra tenin’ireto mponina ireto fa ny resaka fanotofan-tany ataon’ny kaominina efa am-bolana maro izao, izay efa hetahetan’ny mponina hatry ny ela mba hitondra fampandrosoana marina eny amin’ity toerana ity no tena kianin’ireo andian’olona tsy tia fandrosoana  voalaza tery ambony ireo. Teny notakian’ny mponina ny fanotofana ny tanimbary sasany izay tsy azo volena vary intsony noho ny lavaka lalina misy ao aminy tamin’ireny fotoana nanaovana biriky teo amboniny ireny. Saika efa nivarotra ny taniny tamina mpandraharaha hanorina orinasa vaventy eo amin’izany toerana totofana izany avokoa ny ankamaroan’ny tompon-tanimbary feno lavaka ireo fa hisy tombontsoa mivantana ho azy ireo sy ny taranany izany satria afaka hanome asa azy ireo atsy aoriana kely monja izany tetikasa atao izany sady hambitombo ny vola miditra eo anivon’ny kaominin’Ampitatafika koa ny tetikasa hanorenana « bretelle » na lalana hampifandry ny RN1 sy ny toerana misy ny lisea Faliarivo mbola ho tanterahin’ireo nividin’ny tanimbaray nototofana ho takalon’ny fananganana ozinina hataony.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT