Voaloa an-tsakany sy an-davany ny latsakemboka 2015 iray manontolo hoan’ny kaominina Ampitatafika.
Tsy mbola misy atahorana ihany koa ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa izay mbola mahavita hatramin’ny volana febroary 2016, araka ny tarehimarika farany avy amin’ny sampana misahana ny kaontim-pitantanana eny an-toerana. Filamatra efa napetraky ny ben’ny tanàna Ramparaoelina Rado hatramin’izay rahateo ny fitantanana mahomby sy mangarahara ka santionam-bokatra ireo notanisaina teo ireo, hoy ny ben’ny tanàna lefitra Randrianarivony Jocelyn Marinot. Maromaro ihany koa ny tetikasa fampandrosoana hotanterahana eny Ampitatafika amin’ity taona 2016 ity, araka ny fanazavan’ity mpiara-miasa akaiky amin’ny ben’ny tanàna ity. Anisan’izany ny fijerena akaiky ny lafiny fanabeazana, ny fanamboarana ireo lalan-kely rehetra ao anatin’ireo fokontany 13 ary ny fanitarana miaraka amin’ny fanatsaràna ny tsena eny an-toerana ho fanomezana fahafahampo ny mponina sy ny manodidina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.