Actualités

Ampijalian’ny delestazy i Toamasina Tsy ampy solika ny Jirama


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Hopitaly kely – Gare routière – Tanambao V – Ankirihiry avaratra sy atsimo – Andranomadio – Cité Valpinson – Cité Haras – Ambohijafy – Asecna – Antseranampasika – Tahity Kely – Rasseta – Ampilaolava – Analamalotra – Ivoloina – Ctht – Lycée Agricole –

 

 

 Vohitsara – Betainaomby – Depot Analakininina – Tanambao verrerie – Tanandava – Antsarimasina – Tanambao I – Tanambao II – Tanambao III – Androranga – Anjoma – Tanamborizano – Morarano – Ampasimazava – Bazary be – Ambalakisoa – Cité Canada – Ambolomadinika – La Poudrette – Tanamakoa – Morafeno – Salazamay ary ireo fokontany manodidina azy ireo rehetra ihany koa, izany hoe ny 2/3-n’ny fokontany sy faritra maro ao Toamasina izany dia tsy misy herinaratra avokoa. Ireo indray ny lisitry ny fokontany sy ireo faritra tapaka herinaratra tao Toamasina omaly izay adiny telo eo ny fahatapahana manomboka amin’ny 9ora maraina ka hatramin’ny 12ora antoandro izay fotoana tena hiasan’ny Malagasy indrindra ireo miasa tena isan’andro mihitsy. Marary fa tsy maintsy atao izao fanapahana herinaratra izao, hoy ny Jirama Toamasina satria tsy maintsy tsitsiana ny solika kely 28.000 litatra mba hany azon’izy ireo isan’andro hialana amin’ny fahatapahan’ny herinaratra amin’ny aliny noho izao olan’ny tsy filaminam-bahoaka izao. Raha amin’ny andavanandro dia avo roa heny ny solika azon’izy ireo isan’andro ankehitriny ity ny filana eto Toamasina izay manampy azy amin’izany ny herinaratra avy any Volobe Toamasina II izay tsy maharaka ny filana ny mpanjifa. Na izany aza dia ny faritry ny hopitaly Morafeno sy ny Hopitaly be ary ny fonjaben’Ambalatavoahangy dia tsy ahitana fahatapahana mihitsy noho ireo toerana ireo saropady araka ny fanazavana azo. Nandalo tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo ny tale jeneralin’ny Jirama niara-nifandinika tamin’ny mpiasany tokony hatao raha ny angom-baovao natao .

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT