Toerana iray fanaovan’ny mpanao sintomahery ny asa ratsiny ny eny Isotry mihazo ny lalana Ampatsakana iny
. Vehivavy no tena lasibatra ary mila ho in-telo isan-kerinandro. Nisy olona niharany tamin’ny sabotsy hariva ka ny alahady izy no nampandre ny polisy ao amin’ny Poste de Police Proximité Ampefiloha. Natao ny fitadiavana ka teny Ampefiloha ampitan’ny complexe tao anaty trano fisotroan-toaka izy no hitan’ilay Ramatoa voaendaka. Niantso polisy avy hatrany ity farany. Nidina teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana. Efa nanara-dia vehivavy iray indray ity mpanendaka no nosamborina tampoka. Niaiky ny heloka vitany izy. I Joseph no anarany, 33 taona. Natolotra ny fitsarana omaly ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.